FITSIDIHANA SAHA SEKOLY FAMOKARANA MASOMBOLY FOTOTRA VOANJO DONGA CR SOAVINA, FARITRA AMORON’I MANIA
Tetikasa PURPA
Nisy ny fihaonana mivantana izay nataon’ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA Suzelin sy ireo delegasiona notarihiny nijery sy nanara-maso ny fizotry ny asa famokarana masomboly fototra, voanjo DONGA, tao amin’ny Fokontany Lovasoatsihadino, CR Soavina ny Asabotsy 11 mey 2024, Faritra Amoron’i Mania, notronin’ny Tale Jeneralin’i FOFIFA Dr. RAZAFINDRAKOTO Fanoina Ny Riana, sy ireo mpikaroka ao amin’ny Foibe Fikarohana FOFIFA Matsiatra Ambony.
« Nisy ny fitsidihana saha sekoly voanjo DONGA sy fihaonana tamin’ireo mpamokatra masomboly fototra miisa 20, isan’izany ny fikambanana MIOTISOA.
Voanjo DONGA milanja 500 kg no vokatra niaingana ho masomboly fototra izay napariakan’ny Tetikasa PURPA tao anatin’ny distrika roa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ka mbola masomboly fototra voalohany hahatonga azy ho voamarina, izay fiaraha-miasa amin’i FOFIFA.
Marihina fa ity voanjo DONGA ity dia voanjo sangany eto Madagasikara, isan’ny manana taha menaka ambony indrindra, no sady ahitana lalam-barotra betsaka.

Tanjona moa ny hamokarana masomboly fototra voanjo DONGA 10 T ao anatin’ny taona iray, ka ho vidian’ny FOFIFA ireo, ary ny Tetikasa PURPA no hanome tohana ireo mamokatra masomboly amin’ny famatsiana ny filany amin’ny famapiasam-bola.
Namporisika hatrany Andriamatoa Ministra amin’ny fampiasana masomboly voafantina sy voamarina, izay hiara-miasa amin’ny FOFIFA
« Masomboly tsara kalitao, voamarina sy voafantina, mahatsara ny vokatra »