FOFIFA Tour CALA Ambohitsilaozana

NANKALAZAINA TANY AMBATONRAZAKA NY JOBILY VOLAMENAN’NY FOFIFA:

Ny 22 sy 23 Aprily no natokan’ny FOFIFA CALA ao Ambohitsilaozana – Ambatondrazaka hankalazàna ny faha-50 Taonan’ny FOFIFA.

Diabe namakivaky ny tananan’Ambatondrazaka sy Ambohitsilaozana notohizana tamin’ny hetsika ara-panatajahantena sy afon-dasy ary lanonana ofisialy izay nofaranana tamin’ny rindran-kira izany fotoam-pankalazana izany.
 
Tonga nanome voninahitra izany fety manetriketrika izany ny avy ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Alaotra Mangoro, ireo Tale  eto amin’ny FOFIFA ary ireo olo-manakaja maro sivily sy miaramila.
 
 
Nohamafisin’ireo nandray fitenenana fa toeram-pikarohana velona sy miroborobo ny FOFIFA CALA ka tsy handeferan’ ny fitondram-panjakana ny fikasana handroba ny taniny. Tonga nanotrona izany avokoa ireo solontenan’ny tobim-pikarohan’ny FOFIFA misandrahaka manerana ny nosy.
 
Nisy ny fifaninanana ara-panatanjahatena samihafa sy ny afon-dasy.
 
Ankasitrahana ireo nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka sy isika rehetra nahatontosa iny FOFIFA tour tany CALA  Ambohitsilaozana Ambatondrazaka iny. 
 
Mbola ho avy koa ny FOFIFA  tour any amin’ireo ivon-toeran’ny FOFIFA manerana ny Nosy.

FOFIFA CENRADERU

Centre National de Recherche Agricole

Vous pourriez aimer aussi...