Vary MANGAFOTOTRA niarahana tamin’ny Tetikasa DEFIS, nampiharana ny teknika PAPRIZ
Ambatolahy, CR Soavina, Ambondromisotra, Faritra Amoron’i Mania.

Nihaona tamin’ireo mpikambana
SAHA SEKOLY VARY AN-DRANO sy mpamokatra
masomboly VARY MANGAFOTOTRA/FOFIFA ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA Suzelin sy ireo delegasiona notarihiny, notronin’ny Tale Jeneralin’ny FOFIFA, Dr. RAZAFINDRAKOTO Ny Riana, ny 11 mey 2024, tao Ambatolahy, CR Soavina, Ambondromisotra, Faritra Amoron’i Mania.

Fotoana nahafahana niresaka sy nihaino ny hetahetan’ireo tantsaha mpamokatra vary, mpikambana eo anivon’ny saha sekoly.
Tokantrano miisa 25 eo ho eo ireo mpamokatra vary mangafototra, mpisitraka nahazo tohana avy amin’ny Fandaharanasa DEFIS.

Maro ny tohana nentina toy ny fampiofanana ara-teknika, izay nampiharana ny teknika PAPRIZ. Mihatsara ny vokatra hoy ireo mpisitraka satria nitombo avo roa heny izany nohon’ny fisian’ny fotodrafitrasa sy tohana ara-teknika nentin’ny Fandaharanasa DEFIS. Manamafy izany ny fisian’ny tohodrano ao Antsosa izay manondraka Velaran-tany 75ha. Maharaka tsara ny rano ho an’ireo mpamboly vary ao an-toerana araky ny resadresaka nifanaovana.
犀利士
dj266r xhhsvwb xat24cr xgzva0m xxymvpz xlup9mm x1kky2od »>
Nahafapo ihany koa ny fanolorana zezika, nanatsarana izany vokatra izany, fiaraha-niasa tamin’ny FOFIFA.

Nanambara Andriamatoa Ministra fa efa voafehy araka izany ny teknikam-pamokarana koa namporisika izy ny hizaran’ireo mpisitraka traikefa amin’ny namana. Hojerena hatrany hoy izy ny fomba hanatanterahana ny hetahetan’ireo tantsaha amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana.
Nisy ihany koa fanolorana fitaovana fanamainana na SECHOIR avy amin’ny Tetikasa DEFIS.