Mpikaroka miisa 7 no nampiakarina amin’ny laharana maha Talem-pikarohana, 10 kosa amin’ny laharana Talem-pikarohana miara-miasa, araka ny didim-panjakana navokan’ny filan-kevitry ny Minisitra.
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Séquoia Ivandry izy ireo . Nitondra ny teny fiarahabana ho azy ireo avy amin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr ASSOUMACOU Elia Béatrice nandritra ny lanonana ny Sekretera Jeneraly, Pr SALAVA Julien.
Araka ny fantatra ihany koa dia nivoaka tamin’ny filan-kevitry Governemanta ny 29 novambra 2023 ny fampitoviana lenta ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra amin’ny fisalorana « toges universitaires ».