Tonga nitsidika ny Foibem-pikarohana momba ny Fambolena sy ny Fiompiana Ampiharina ho Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA) eny Ampandrianomby ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa notronin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga, ny 22 martsa 2024.
Ny voka-pikarohana momba ny « Aquaponie » izay fikarohana manambatra ny « Hydroponie » sy ny « Aquaculture » no isany nojerena manokana nandritra ny fitsidihana. Izany dia miompana amin’ny fomba iray fiompiana trondro sy fambolena legioma miaraka amin’ny fotoana iray ihany, tsy mampiasa velarantany lehibe kanefa azahoana vokatra maro. Mpikaroka avy ao amin’ny FOFIFA, izay Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, no nametraka izany voalohany eto Madagasikara.
Efa maro ireo voka-pikarohana mipàka mivantana amin’ny vahoaka izay anisany fanamby lehibe tanterahin’ny Ministera, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Nanamafy Andriamatoa Minisitra fa miankina amin’ny mpikaroka ny fampandrosoana ary ny Ministera dia manao ezaka lehibe amin’ny fampahafantarana ireo voka-pikarohana rehetra mba hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.
Rédigé par
FOFIFA CENRADERU
Centre National de Recherche pour le Développement Rural à Madagascar