Ivontoeram-pikarohana FOFIFA Kianjavato

Nisy ny fidinana ifotony ny ivontoeram-pikarohana izay nataon’ny Ramatoa Tale Jeneraly FOFIFA, Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Fanoina Ny Riana, sy ny Tale Siantifika ny FOFIFA Ramatoa RASOAFALIMANANA Mbolarinosy tany Kianjavato, faritra Vatovavy Fitovinany.

Marihana fa io ivontoeram-pikarohana io dia misahana indrindra ny fikarohana momba ny Kafe, vanila, poivatra ary ny maro hafa.

– Nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpiara-miasa tany an-toerana hijerena ifotony ny toe-javamisy any an-toerana.

– Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo ivontoerana mitahiry ireo vokatra Kafe izay misy ireo karazany avy manerana an’i Madagasikara. Marihana fa ny FOFIFA dia manana ny banky genetika aman-jatony maro raha tsy hilaza afa-tsy ny fikarohana momba ny fanatsarana kalitaon’ny Kafe sy ny filana eo amin’io sehatra io. Toa ny Kafe Ratelo sy ny vokatra maro hafa.

– Eo ihany koa ny fikarohana mahakasika ny fanatsarana ny la Vanila indray sy ny fampiakarana ny fahatsarany na io amin’ny kalitao na io amin’ny taham-pamokarana.

Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ireo vokam-pikarohana mba ahafahana manatsara ny kalitao, mety amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fampitomboana ny vokatra ahafahana mamaly ny sehatry ny fihariana sy ny fampivoarana eo anivon’ny tontolo ambany vohitra ary ny mpisehatra ara-toekarena. Izany rehetra izany dia natao mba ahafahana mamaly hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanatsarana hatrany ny vokam-pikarohana ary ny seham-pikarohana izay sahanin’ny FOFIFA.

FOFIFA CENRADERU

Centre National de Recherche Agricole

Vous pourriez aimer aussi...