FIKAONAN-DOHA NASIONALY HO FAMPIVOARANA NY FAMOKARANA ETO MADAGASIKARA
Ivato : 23-24 janvier 2025.
 
Nandray anjara mavitrika ny mpikaroka teo anivon’ny FOFIFA izay notarihin’ny  tale jeneraly Pr. LEONG POCK TSY Jean Michel, ny tale siantifika Pr. RASOAFALIMANANA Mbolarinosy, ireo lehiben’ny departemanta isan-tsokajiny.

Lohahevitra 6 lehibe no hifampizarana sy hodinihina mandritry ny 2 andro :

  • (1) Fahavitan-tena ara-bary,
  • (2) Ny famokarana tantanam-pianakaviana,
  • (3) Ny agribusiness sy ny fanovana ara-indostria,
  • (4) Ny famokarana biolojika sy ny seha-pihariana voly fanondrana,
  • (5) Ny fiompiana sy ny fahampiana eo amin’ny vokatra ara-piompiana ary
  • (6) ny Jono sy ny fiompiana anaty rano.

« Journées de concertation sur la transformation agricole

 

Ny tanjona dia ny ahafahana mamoaka tari-dalana mahomby sy paikady maharitra ary hamahana ireo olana mianjady amin’ny mpisehatra ara-pamokarana rehetra indrindra ny mpamokatra eny ifotony.

♦️Fanoitra ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny famokarana. Sehatra mamelona olona maro an’isa ary andry iankinan’ny toe-karen’i Madagasikara. Manana velaran-tany azo volena midadasik’i Madagasikara, maro ireo asa efa notanterahina ho fampivoarana ny famokarana eto amin’ny firenena kanefa mbola mitaky fanatsaràna sy fanavaozana hatrany izany.

☑️Ho fanamorana ny fizarana犀利士
ireo hanam-pamokarana, toy ny zezika na fitaovana, dia hampiasaina ihany koa ny « système voucher », rafitra ahafahana mampiasa ny tolotra mba avy amin’ireo mpamatsy ara-dalàna voafaritry ny ministera.

👉Tanjona lehibe napetraky ny Ministera ny hampitomboana ny vokatra fambolena vary izay mahatratra 5 000 000 taonina isan-taona ankehitriny. Ho fanatanterahana izany dia napetraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny « agribusiness » na ny fandraharahana ara-pamokarana.

☑️Miezaka ny Ministera mametraka ny “Zone d’Émergence Agricole », toerana natokana ho an’ny fambolena midadasika (agriculture à grande échelle) ho anisan’ny paikady iarahan’ny rehetra.

☑️“Mifampiankina ny asa atao » ka tsy vitan’ny MINAE irery ny fampandrosoana ny sehatry ny famokarana fa iarahana amin’ireo sehatra hafa, toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny famatsian-drano, ary ny fampiroboroboana ny indostria sy ny tsena.”

Nisy araka izany ireo teboka lehibe mila tanterahina sy omena lanja manokana taorian’ny ady hevitra sy fifampizarana :
☑️Ny fanapariahana ny mécanisation agricole eny anivon’ny faritra rehetra manerana ny Madagasikara;
☑️ Ny fanamorana ny fisitrahana ny masomboly sy ny zezika;
☑️Ny fanavaozana sy fanamafisana ny rafitra amin’ny fitantanan-drano (AUE);
☑️Ny fanavaozana sy fanorenana ireo foto-drafitrasa fanondrahana ny tany volena toy ny barrage, ny lakan-drano;
☑️Ny fanangonana sy fanomezan-danja ireo asa efa natao hita fa nahomby;
☑️Ny fampanaretana sy fanohizana ny asa efa natao teo aloha;
壯陽藥
ss= »xz74otr » src= »https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t8d/1/16/2611.png » alt= »☑️ » width= »16″ height= »16″>Ny fanamboarana ny lalana any amin’ny faritra avy hahafahan’ireo tantsaha mamoaka ny vokatra;
☑️Ny fanafainganana ny dingana fanatanterahana ny tetikasa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena.

 Hetsika iaraha-miasa amin’ny FIDA na ny Fonds International de Développement Agricole via Programme DEFIS

 

Rédigé par

FOFIFA CENRADERU

Centre National de Recherche pour le Développement Rural à Madagascar