Ivato : 23-24 janvier 2025.
Nandray anjara mavitrika ny mpikaroka teo anivon’ny FOFIFA izay notarihin’ny tale jeneraly Pr. LEONG POCK TSY Jean Michel, ny tale siantifika Pr. R犀利士
ASOAFALIMANANA Mbolarinosy, ireo lehiben’ny departemanta isan-tsokajiny.
Lohahevitra 6 lehibe no hifampizarana sy hodinihina mandritry ny 2 andro :
- (1) Fahavitan-tena ara-bary,
- (2) Ny famokarana tantanam-pianakaviana,
- (3) Ny agribusiness sy ny fanovana ara-indostria,
- (4) Ny famokarana biolojika sy ny seha-pihariana voly fanondrana,
- (5) Ny fiompiana sy ny fahampiana eo amin’ny vokatra ara-piompiana ary
- (6) ny Jono sy ny fiompiana anaty rano.
« Journées de concertation sur la transformation agricole
Ny tanjona dia ny ahafahana mamoaka tari-dalana mahomby sy paikady maharitra ary hamahana ireo olana mianjady amin’ny mpisehatra ara-pamokarana rehetra indrindra ny mpamokatra eny ifotony.
♦️Fanoitra ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny sehatry ny famokarana. Sehatra mamelona olona maro an’isa ary andry iankinan’ny toe-karen’i Madagasikara. Manana velaran-tany azo volena midadasik’i Madagasikara, maro ireo asa efa notanterahina ho fampivoarana ny famokarana eto amin’ny firenena kanefa mbola mitaky fanatsaràna sy fanavaozana hatrany izany.
☑️Ho fanamorana ny fizarana ireo hanam-pamokarana, toy ny zezika na fitaovana, dia hampiasaina ihany koa ny « système voucher », rafitra ahafahana mampiasa ny tolotra mba avy amin’ireo mpamatsy ara-dalàna voafaritry ny ministera.
👉Tanjona lehibe napetraky ny Ministera ny hampitomboana ny vokatra fambolena vary izay mahatratra 5 000 000 taonina isan-taona ankehitriny. Ho fanatanterahana izany dia napetraka ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny « agribusiness » na ny fandraharahana ara-pamokarana.
☑️Miezaka ny Ministera mametraka ny “Zone d’Émergence Agricole », toerana natokana ho an’ny fambolena midadasika (agriculture à grande échelle) ho anisan’ny paikady iarahan’ny rehetra.
☑️“Mifampiankina ny asa atao » ka tsy vitan’ny MINAE irery ny fampandrosoana ny sehatry ny famokarana fa iarahana amin’ireo sehatra hafa, toy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, ny famatsian-drano, ary ny fampiroboroboana ny indostria sy ny tsena.”
Nisy araka izany ireo teboka lehibe mila tanterahina sy omena lanja manokana taorian’ny ady hevitra sy fifampizarana :
Ny fanamorana ny fisitrahana ny masomboly sy ny zezika;
Ny fanavaozana sy fanamafisana ny rafitra amin’ny fitantanan-drano (AUE);
Ny fanavaozana sy fanorenana ireo foto-drafitrasa fanondrahana ny tany volena toy ny barrage, ny lakan-drano;
Ny fanangonana sy fanomezan-danja ireo asa efa natao hita fa nahomby;
壯陽藥
ps://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t8d/1/16/2611.png » alt= »☑️ » width= »16″ height= »16″>Ny fampanaretana sy fanohizana ny asa efa natao teo aloha;
壯陽藥
idth= »16″ height= »16″>Ny fanafainganana ny dingana fanatanterahana ny tetikasa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena.
Hetsika iaraha-miasa amin’ny FIDA na ny Fonds International de Développement Agricole via Programme DEFIS



















