(Source MINAE)

♦️Nidina ifotony nijery ny fambolena ketsa iombonana sy ny valatahaka (vitrine) napetraky ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho fanohanana ny tantsaha ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Hajarison Sergio François, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, anisan’izany ny Talen’ny FOFIFA Cala Alaotra Mangoro.

♦️Hita tamin’izany fa efa azo hatomboka amin’ny herinandro ho avy izao ny fizarana ireo ketsa ho an’ny tantsaha. Nanararaotra ny fotoana ihany koa ny Minisitera niresahana mivantana tamin’ireo tantsaha sy ny federasiona ao amin’ny PK 23, ka noresahina tamin’izany ireo olana sedrain’izy ireo sy ny vahaolana aroson’ny Minisitera.

♦️Nandritra izany dia nampirisihina ny tantsaha hanaja ny tontolo iainana, indrindra amin’ny犀利士
犀利士
fandraisana fepetra hisorohana ny haintany, izay sakana lehibe amin’ny fahombiazana amin’ny fambolena.

Rédigé par

FOFIFA CENRADERU

Centre National de Recherche pour le Développement Rural à Madagascar