
Nisy fankalazana isam-paritra ny faha-50 taonany FOFIFA, ny 12-13 Jolay 2024 tao amin’ny Ivontoerana
Fikarohana Avaratra Andrefan’i Madagasikara, Distrikan’i Mahajanga, Faritra Boeny.
Toerana fahatelo taorian’Ambatondrazaka sy Kianjasoa ny nankalazana ny Jobily volamenan’ny FOFIFA tany amin’ny Tobim-pikaroham-paritra Avaratra – andrefana.

Tao amin’ny renivohi-paritra izay misy ny ivon-toeram-pikarohan’ny FOFIFA ao Mahajanga no nanokafan’ireo olo-manakaja, izay notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, izany fankalazana izany.
Anisan’ny fihetsiketsehana notanterahina tamin’izany ny
Carnaval namakivaky ny tanàna, ny fitokanana ny takela-pahatsiarovana, ny fitsidihana ireo laboratoara sy ny toeram-pikarohana tany Miadana izay nipoiran’ny voka-pikarohana omby b犀利士
e ronono « Manjan’i Boina »
sy Mangatsa izay nanamboarana sady itehirizana ireo karazana manga vaventy
壯陽藥
/1f34b.png » alt= »🍋 » width= »16″ height= »16″>, ary ireo lalao ara-panatanjahantena izay natao hifampikasohan’ireo mpiasan’ny FOFIFA avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.
Voasolo tena tamin’izany lanonana izany avokoa ireo sampandraharaham-panjakana avy ao amin’ny faritr’i Boeny dia ny avy amin’ny Governora, ny avy amin’ny Oniversite, ny avy amin’ny prefektiora ary ny avy amin’ny Kaominina. Nanamafy moa izy ireo fa miroborobo ny asam-pikarohana ara-pambolena sy fiompiana any an-toerana ka mbola manantena ny hitohizan’izany ezaka ataon’ny FOFIFA any izany.

Nanamafy kosa Andriamatoa Minisitra fa tsy maintsy tohanana ny asam-pikarohana momba ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra mba ahafahana manatratra haingana ny fahavita-tena ara-tsakafo.

Namporisika ireo mpikaroka hatrany ny Minisitra ny mba hanatrarana ny tanjona amin’ny fampandrosoana ny Firenena amin’ny alalan’ny Fikarohana Siantifika mipàka mivantana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka, indrindra ny mba ahitana karazana masomboly mifanaraka tsara amin’ny toetr’andro sy ny nofon-tany eny an-toerana.

Nomarihina tamin’ny fampirantiana tranoeva ny hetsika ka nanehoana ireo voka-pikarohana, izay efa maro toy ny vary andrano sy vary an-tanety, katsaka, tsaramaso, ampemba ary ny teo amin’ny lafin’ny Fiompiana ihany koa; teo ihany koa ny fitsidihana laboratoara fanaovana fitiliana ny nofon’ny tany sy ireo masomboly.
FOFIFA tour au CRR NO Mahajanga