FIBODOANA NY TANIN’NY FOFIFA: NY AINDEHIBEN’NY FAMPANDROSOANA MIHITSY NO VOAHOZONGOZONA

Nanao fanambarana ny Tale jeneralin’ ny fikarohana siantifikan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikaroana ara-tsiansa niaraka tamin’ny Talé jeneralin’ny FOFIFA nohon’ny zava-mitranga matetika amin’ny fampiasana tsy nahazoana alàlana sy fibodoana ireo tanin’ny FOFIFA, ka nambara ampahibemaso tao amin’ny foibe FOFIFA Ampandrianomby ny 17 janoary 2023 lasa teo fa tena fanapotehana ny firenena ny fakàna ankeriny ireo tany izay fanaovana fikarohana sy andrana ara-teknika ho fampiharana ireo voka-pikarohana amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra mba hanampiana ireo mpamboly sy mpiompy malagasy.
Ankehitriny dia mampalehelo ny tranga misy fa maro ireo olona sahy sy minia maka ankeriny izany tany izany, raha tsy hilaza fotsiny ny tranga niseho vao fotoana fohy tao Mitsinjo Betanimena tao Toliara izay toerana fanaovana andrana manokana mikasika ny fambolena hasy, katsaka, kabaro ary apemba, kanefa indrisy fa nohon’ny hetraketraka sy fitadiavana tombotsoa manokan’ireo olom-bitsy dia hisy fiantraikany ratsy any amin’ny sehatry ny fambolena izany fangalarana sy fibodoana ny tanin’ny FOFIFA izany, satria mihena araka izany ny toerana ahafan’ny mpikaroka manao fikarohana ho fampandrosona ny lafiny aram-pambolena sy fiompiana izay voalaza ombieny fa lalana iray ahafahantsika Malagasy manatratra ny fahavitatena ara-tsakafo. Vao tsy ela koa ny fitadiavan’ny sasany haka an-keriny ny ampahan-tany ao Kianjasoa izay toerana fanaovana andrana sy famokarana ireo masomboly fototra.
Nahatsiaro ho voakapoka am-parahatoka ireo mpikaroka rehetra tato amin’ny FOFIFA noho izany zava-misy izany ka dia voatery nanao fivoriana tsy ara-potoana mba hiaraha-mientana ho famongorana ity fanimbana sy fanimbazimbàna ny fikarohana eto madagasikara ity.
Efa nalefa eny ampelatanan’ny manampahefana ny raharaha amin’izao fotoana izao ary miantso ireo tompon’andraikitra mahefa ny mpiasa rehetra eto anivon’ny FOFIFA mba hijery akaiky izao toedraharaha izao satria ny aindehiben’ny fampandrosoana ny firenena mihitsy no voatohitohana.