Nisy ny fidinana ifotony ny ivontoeram-pikarohana izay nataon’ny Ramatoa Tale Jeneraly FOFIFA, Ramatoa RAZAFINDRAKOTO Fanoina Ny Riana, sy ny Tale Siantifika ny FOFIFA Ramatoa RASOAFALIMANANA Mbolarinosy tany Kianjavato, faritra Vatovavy Fitovinany.

Marihana fa io ivontoeram-pikarohana io dia misahana indrindra ny fikarohana momba ny Kafe, vanila, poivatra ary ny maro hafa.

– Nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpiara-miasa tany an-toerana hijerena ifotony ny toe-javamisy any an-toerana.

– Nisy ihany koa ny fitsidihana ireo ivontoerana mitahiry ireo vokatra Kafe izay misy ireo karazany avy manerana an’i Madagasikara. Marihana fa ny FOFIFA dia manana ny banky genetika aman-jatony maro raha tsy hilaza afa-tsy ny fikarohana momba ny fanatsarana kalitaon’ny Kafe sy ny filana eo amin’io sehatra io. Toa ny Kafe Ratelo sy ny vokatra maro hafa.

– Eo ihany koa ny fikarohana mahakasika ny fanatsarana ny la Vanila indray sy ny fampiakarana ny fahatsarany na io amin’ny kalitao na io amin’ny taham-pamokarana.

Ny tanjona dia ny hampiroboroboana ireo vokam-pikarohana mba ahafahana manatsara ny kalitao, mety amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fampitomboana ny vokatra ahafahana mamaly ny sehatry ny fihariana sy ny fampivoarana eo anivon’n壯陽藥
y tontolo ambany vohitra ary ny misehatra ara-toekarena. Izany rehetra izany dia natao mba ahafahana mamaly hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanatsarana hatrany ny vokam-pikarohana ary ny seham-pikarohana izay sahanin’ny FOFIFA.

Rédigé par

FOFIFA CENRADERU

Centre National de Recherche pour le Développement Rural à Madagascar