Nandray anjara mavitrika ny FOFIFA notarihin’ny Pr. LEONG POCK TSY Jean Michel, tale jeneralin’ny FOFIFA, ny talen’ny fitantanana eo amin’ny fandrarahana sy ara-bola, Andriamatoa ANDRIAMAHERIARISOA Lazahasina Jocelyn,sy ireo mpiasan’ny FOFIFA izay tonga marobe nanohina ny antso.
🌳« 𝑵𝒚 𝑨𝒍𝒂, 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝑹𝒂𝒏𝒐 𝒔𝒚 𝑨𝒏𝒈𝒐𝒗𝒐 »💧⚡✔Notanterahina ny 14 Febroary 2025 tao amin’ny Fokontany Ampangabe, Kaominina ambanivohitra Ambalavao, ny hetsika fambolen-kazo 2025, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla
✔Zanakazo miisa 6 000 no novolena tamin’ny velaran-tany 04 Ha, vokatry ny fiaraha-mientan’ny mpiara-miasa rehetra. Karazan-kazo 13 isa no nofantenana : 𝐴𝑐𝑎𝑐𝑖𝑎 𝐴𝑢𝑟𝑖𝑐𝑢𝑙𝑖𝑓𝑜𝑟𝑚𝑖𝑠, 𝐴𝑐𝑎𝑐𝑖𝑎 𝑑𝑒𝑎𝑙𝑏𝑎𝑡𝑎, 𝐶𝑒𝑟𝑐𝑖𝑠 𝑠𝑖𝑙𝑖𝑞𝑢𝑎𝑠𝑡𝑟𝑢𝑚, 𝐷𝑜𝑑𝑜𝑛𝑒𝑎 𝑚𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑎𝑟𝑒𝑛𝑠𝑖𝑠, 𝐷𝑜𝑑𝑜𝑛𝑒𝑎 𝑉𝑖𝑠𝑐𝑜𝑠𝑎, 𝐸𝑢𝑐𝑎𝑙𝑦𝑝𝑡𝑢𝑠 𝑔𝑟𝑎𝑛𝑑𝑖𝑠, 𝐹𝑟𝑎𝑥𝑖𝑛𝑢𝑠, 𝐺𝑟𝑒𝑣𝑖𝑙𝑙𝑒𝑎, 𝐽𝑎𝑐𝑎𝑟𝑎𝑛𝑑𝑎, 𝑀𝑎𝑛𝑡𝑎𝑙𝑦𝑠, 𝑀𝑖𝑙𝑙𝑒𝑡𝑖𝑎, 𝑃𝑜𝑑𝑜𝑐𝑎𝑟𝑝𝑢𝑠 ary ny 𝑇𝑟𝑜𝑒̂𝑛𝑒.
✔Ireo zanakazo ireo dia novokarina sy nofantenana avy ao amin’ny Ivon-toeram-pikarohana Nasionaly momba ny Tontolo Iainana (CNRE), Ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny Ministera. Nojerena sy nodinihina manokana izy ireo mba hifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny tontolo voajanahary eto Madagasikara.
✔ Napetraka ihany koa ny rafitra fanaraha-maso aorian’ny fambolena, izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) mba hiantohana ny fitombon’ireo hazo sy hanatsarana ny vokatra amin’ny taona ho avy.