[unitegallery tenia_cysti]

Tetikasa : “Teniose-cysticercose”
Mpamatsy vola : Canada /Centre de Recherche pour le Développement International – (CRDI)

Ny tetikasa “Teniose – cysticercse ” dia miompana tanteraka amin’ny ady atao amin’ny sakoitra sy ny voavary.

Ny mampiavaka  izany tetikasa izany dia ny fiaraha-misalahy eo amin’ny ministera telo izay voakasik’izany : dia ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny  jono, ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Ho an’ny Ministeran’ny fammbolena sy ny fiompiana ary ny jono manokana dia ireto  avy ireo asa tanterahina ao anatin’ny tetikasa :

  • ny fanaovana vakisiny fanefitry ny voavary amin’ny kisoa;
  • ny fanomezana ody kankana ny kisoa;
  • ny fampianarana ny mpiompy sy ny mponina momba ny voavary (sensibilisation de masse).

Ny asa rehetra izay atao eo anivon’ny mpiompy dia maimaimpoana avokoa ary hisy koa ny fametahana kavina ireo kisoa izay vita vaksiny ho fanamarinana.

Tsara ho marihina fa ny kisoa roa volana no mihoatra no atao izany vaksiny izany, ary indroa no atao vaksiny ny kisoa iray vao voaaro amin’ny voavary. Mielanelana iray volana ny fanaovana izany vaksiny roa izany.

Mandritra ny valo ambin’ny folo (18) volana no ho tanterahina ny fanaovana vaksiny sy ny fanomezana ody kankana ho an’ny kisoa. Ary kaominina miisa sivy (9) ao anatin’ny distrikan’ny Manodoto sy betafo no sahanin’ny tetikasa.

Ny tanjona voalohan’ny tetikasa dia ny fampiroboroboana ny fanjarian-tsakafo :

  • ao ny famokarana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka;
  • ao ny fanatsaraha nyseha-pihariana momba ny kisoa.

[unitegallery cysticercose_tenia]

 

Ny tanjona fohy ezaka tokony ho hita arak’izany dia ny fihenan’ny kisoa misy voavary ao amin’ny toerana izay hiasan’ny tetik’asa, ka hihena manaraka izany koany taha-pahavoazan’ny olombelona  izany aretina izany.

Anisan’ny tiana havoitra koa ny fahombiazan’nyfiaraha-misalahin’ny mpisehatry ny fahasalaman’ny olona sy ny fahasalaman’ny biby, na ny atao hoe “One Health”.